1 Kings 17:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nitaraina tamin’NY TOMPO izy hoe: Ry TOMPO Andriamanitro ô, moa hahatonga loza tamin’ny mpitondratena izay ivahiniako koa va Ianao ka hahafaty ny zanany?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niantso an’i Iaveh izy, nanao hoe: «Iaveh Andriamanitra ô, dia nampidi-doza ho amin’ity mpitondratena itoerako ity va Ianao, ka hahafaty ny zanany va?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nivavaka tamin’ny TOMPO izy ka nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitro ô, ity mpitondratena ity mba nampiantrano ahy, koa sitrakao ve ny hampahory azy amin’ny fahafatesan-janany?
Malagasy Bible 1865
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nitaraina tamin’NY TOMPO izy hoe: Ry TOMPO Andriamanitro ô, moa hahatonga loza tamin’ny mpitondratena izay ivahiniako koa va Ianao ka hahafaty ny zanany?
malagasy
Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy ka nanao hoe: Jehovah Andriamanitro ô, efa nahatonga loza koa tamin'ny mpitondratena izay nivahiniako va Hianao ka nahafaty ny zanany?