1 Kings 17:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandray ny zaza i Elia ka nitondra azy nidina avy tao amin’ny efitrano ambony ho ao anaty trano ary natolony ny reniny sady hoy izy: Jereo, velona ny zanakao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary noraisin’i Elia ny zaza, nampidininy avy any ambony rihana ho ao an-trano, dia natolony an-dreniny, ary nataon’i Elia hoe: «Inty fa velona ny zanakao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia noraisin’i Elià ny zaza ka nentiny nidina ho ao amin’ny efitra ambany ary natolony an-dreniny sady nataony hoe: –Indro fa velona ny zanakao!
Malagasy Bible 1865
Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao..
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandray ny zaza i Elia ka nitondra azy nidina avy tao amin’ny efitrano ambony ho ao anaty trano ary natolony ny reniny sady hoy izy: Jereo, velona ny zanakao!
malagasy
Ary Elia nandray ny zaza ka nitondra azy nidina avy tao an-efi-trano ambony ho ao anaty trano, dia natolony an-dreniny, ka hoy izy: Inty, fa velona ny zanakao..Ary hoy ravehivavy tamin'i Elia: Ankehitriny izao dia fantatro fa lehilahin'Andriamanitra tokoa ianao, ary marina ny tenin'i Jehovah aloaky ny vavanao.