1 Kings 17:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay momba an’i Sidona, dia mitoera any. Fa indro, misy vehivavy mpitondratena izay notendreko hamelona anao any.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Miaingà ianao ka mankanesa any Sareftà, izay an’i Sidona, dia mitoera any; indro fa nodidiako hamelona anao any ny vehivavy mpitondratena anankiray.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
–Miaingà ka mankanesa any Tsarefata akaikin’i Tsidôna ary mitoera any; fa misy vehivavy mpitondratena any, izay efa nomeko baiko mba hamatsy hanina anao.
Malagasy Bible 1865
Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay momba an’i Sidona, dia mitoera any. Fa indro, misy vehivavy mpitondratena izay notendreko hamelona anao any.
malagasy
Miaingà ka mankanesa any Zarefata, izay naman'i Sidona, ary mitoera any; fa, indro, misy vehivavy mpitondratena any izay notendreko hamelona anao.