1 Kings 18:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony afaka andro maro dia tonga tamin’i Elia ny tenin’NY TOMPO, tamin’ny taona fahatelo hoe: Mandehana miseho amin’i Ahaba fa handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afaka andro maro dia tonga tamin’i Elia ny tenin’i Iaveh tamin’ny taona fahatelo, nanao hoe: «Mandehana miseho eo anatrehan’i Akaba, ka handatsaka ranonorana eo ambonin’ny tany Aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fotoana elaela tatỳ aoriana, tamin’ny taona fahatelo nisian’ny hain-tany, dia nisy tenin’ny TOMPO tamin’i Elià nanao hoe: –Mandehana hiseho amin’i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho.
Malagasy Bible 1865
Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Jehovah tamin'ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony afaka andro maro dia tonga tamin’i Elia ny tenin’NY TOMPO, tamin’ny taona fahatelo hoe: Mandehana miseho amin’i Ahaba fa handatsaka ranonorana amin’ny tany Aho.
malagasy
[Ny nihaonan'i Elia tamin'i Ahaba. sy ny nandreseny ny mpaminanin'i Bala] Ary nony afaka andro maro, dia tonga tamin'i Elia ny tenin'i Jehovah tamin'ny taona fahatelo nanao hoe: Mandehana hiseho amin'i Ahaba, fa handatsaka ranonorana amin'ny tany Aho.