1 Kings 18:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha velona koa NY TOMPO Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona hoe: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany fa tsy nahita anao tokoa izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa velona i Iaveh Andriamanitrao, tsy misy firenena na fanjakana tsy nanirahan’ny Tompo olona hitady anao, ary raha nilaza ny olona nanao hoe: tsy atỳ i Elia, dia nasainy nianiana ny fanjakana sy ny firenena fa hoe: Tsy nahita anao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Velona ny TOMPO Andriamanitrao ka hizingiziniko aminao fa tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’i Ahaba olona hitady anao; ary raha misy manao hoe: «Tsy atỳ aminay izy», dia nasainy nianiana ho tsy nahita anao izany fanjakana sy firenena izany.
Malagasy Bible 1865
Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan'ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha velona koa NY TOMPO Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona hoe: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany fa tsy nahita anao tokoa izy ireo.
malagasy