1 Kings 18:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa raha vao miala eto aminao aho dia hoentin’ny Fanahin’NY TOMPO any amin’izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho. Izaho mpanomponao anefa dia matahotra NY TOMPO hatry ny fahakeliny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa handao anao aho izao, dia hoentin’ny Fanahin’i Iaveh ianao any amin’izay tsy fantatro, dia izaho hampandre an’i Akaba, nefa ianao tsy ho hitany, ka hovonoiny ho faty aho. Hatry ny fony kely anefa ny mpanomponao no efa natahotra an’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa vao miala eto aminao aho, dia hoentin’ny Fanahin’ny TOMPO any amin’izay tsy fantatro ianao; ary raha handeha hilaza amin’i Ahaba aho nefa ianao tsy ho hitany, dia hataony maty aho. Hatry ny fahazazàko anefa aho no fatra-panaja ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Nefa raha vao miala aminao aho, dia ho entin'ny Fanahin'i Jehovah any amin'izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin'i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho; kanefa izaho mpanomponao matahotra an'i Jehovah hatry ny fony mbola kely.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa raha vao miala eto aminao aho dia hoentin’ny Fanahin’NY TOMPO any amin’izay tsy fantatro ianao; koa raha tonga aho ka milaza amin’i Ahaba, nefa tsy ho hitany ianao tsinona, dia hovonoiny aho. Izaho mpanomponao anefa dia matahotra NY TOMPO hatry ny fahakeliny.
malagasy