1 Kings 18:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ilay namonoan’i Jezebela ny mpaminanin’NY TOMPO, dia ny nanafenako ny mpaminanin’NY TOMPO zato lahy, ka dimampolo avy no nataoko tao amin’ny zohy iray, ary novelomiko tamin’ny mofo sy rano ireo?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tsy mba nisy nilaza tamin’ny tompoko va ny nataoko tamin’ilay namonoan’i Jezabela ny mpaminanin’i Iaveh? Fa nanafina mpaminanin’i Iaveh zato lahy aho, nataoko dimampolo avy, any amin’ny zohy, novelomiko mofo sy rano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Moa tsy mba notantaraina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ny namonoan’i Jezebela ho faty ireo mpaminanin’ny TOMPO? Zato tamin’ireny mpaminanin’ny TOMPO ireny no nafeniko nitsinjara dimampolo avy tany anaty zohy ka novatsiko mofo sy rano.
Malagasy Bible 1865
Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin'ilay namonoan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia ny nanafenako ny mpaminanin'i Jehovah zato lahy, ka dimam-polo avy no nataoko tao an-johy iray, ary novelomiko mofo sy rano ireo?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Moa tsy nolazaina taminao va, tompoko, izay nataoko tamin’ilay namonoan’i Jezebela ny mpaminanin’NY TOMPO, dia ny nanafenako ny mpaminanin’NY TOMPO zato lahy, ka dimampolo avy no nataoko tao amin’ny zohy iray, ary novelomiko tamin’ny mofo sy rano ireo?
malagasy