1 Kings 18:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, maniraha olona hamory ny Israely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary vorio any koa ny mpaminanin’ireo Baala dimampolo sy efajato sy ireo mpaminanin’ny Aseraha efajato, izay mihinana eo amin’ny latabatr’i Jezebela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, maniraha olona hamory an’i Israely rehetra ao amiko, any an-tendrombohitra Karmela, mbamin’ny mpaminanin’i Baala 450 sy ny mpaminanin’i Astarte 400, izay mihinana amin’ny latabatr’i Jezabela.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary ankehitriny maniraha olona hamory ny vahoakan’i Israely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitr’i Karmela miaraka amin’ny mpaminanin’i Bahala 450 sy ny mpaminanin’i Aserà efajato izay mihinana eo amin’ny latabatr’i Jezebela.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin'i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin'ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin'ny latabatr'i Jezebela.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, maniraha olona hamory ny Israely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary vorio any koa ny mpaminanin’ireo Baala dimampolo sy efajato sy ireo mpaminanin’ny Aseraha* efajato, izay mihinana eo amin’ny latabatr’i Jezebela.
malagasy
Ary ankehitriny maniraha hamory ny Isiraely rehetra hihaona amiko any an-tendrombohitra Karmela, ary ny mpaminanin'i Bala dimam-polo amby efa-jato sy ny mpaminanin'ny Aseraha efa-jato, izay mihinana eo amin'ny latabatr'i Jezebela.