1 Kings 18:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nanatona ny vahoaka rehetra i Elia ka niteny hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha NY TOMPO no Andriamanitra, manaraha Azy! Fa raha ny Baala kosa dia manaraha azy! Nefa tsy namaly azy ny olona na dia indraimbava aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Elia tamin’izay, dia nanatona ny vahoaka rehetra, ka nanao hoe: «Mandra-pahoviana no hikolepaka an-daniny roa ianareo? Raha i Iaveh no Andriamanitra manaraha azy, fa raha i Baala kosa, manaraha azy.» Tsy namaly azy na inona na inona anefa ny vahoaka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia nankeo amin’ny vahoaka rehetra i Elià ka nanao hoe: –Mandra-pahoviana no hampiroaroa saina anareo? Raha ny TOMPO no tena Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha i Bahala kosa no tena Andriamanitra, dia manaraha azy. Saingy tsy nisy namaly azy ny vahoaka;
Malagasy Bible 1865
Ary dia nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nanatona ny vahoaka rehetra i Elia ka niteny hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha NY TOMPO no Andriamanitra, manaraha Azy! Fa raha ny Baala* kosa dia manaraha azy! Nefa tsy namaly azy ny olona na dia indraimbava aza.
malagasy
Ary dia nankeo amin'ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.