1 Kings 18:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa aoka ireo no hanome vantotra ombilahy roa; ary aoka izy no hifidy ny iray, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ny kitay hazo, nefa tsy handrehetana afo; ary izaho kosa dia hanamboatra ny iray hafa ka hametraka azy eo ambonin’ny kitay hazo, nefa tsy handrehetana afo koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa omena ombalahy roa izahay, ka ny iray amin’ny ombalahy hofidiny mba ho azy, dia horaisiny sy hapetrany eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo; ny ombalahy iray kosa, hamboariko sy hapetrako eo ambony kitay hazo, tsy asiana afo koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Aoka homena ombilahy roa izahay; ka ianareo mpaminanin’i Bahala hifidy anankiray hotetehinareo sy hapetrakareo eo ambony kitay mba hatao sorona, saingy tsy hasiana afo ao. Izaho kosa hikarakara ny anankiray ka hametraka izany eo ambony kitay, saingy tsy hasiana afo koa ao.
Malagasy Bible 1865
Koa aoka ireo no hanome vantotr'ombilahy roa ho antsika; ary aoka izy no hifidy ny iray ho azy, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo ao; ary izaho kosa hamboatra ny iray ka hametraka azy eo ambonin'ny kitay hazo, nefa tsy hasiana afo koa ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa aoka ireo no hanome vantotra ombilahy roa; ary aoka izy no hifidy ny iray, dia handrasa azy ka hametraka azy eo ambonin’ny kitay hazo, nefa tsy handrehetana afo; ary izaho kosa dia hanamboatra ny iray hafa ka hametraka azy eo ambonin’ny kitay hazo, nefa tsy handrehetana afo koa.
malagasy