1 Kings 18:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Elia tamin’ireo mpaminanin’ny Baala: Mifidiana vantotra ombilahy iray ho anareo ka manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza mandrehitra afo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy i Elia tamin’ny mpaminanin’i Baala: «Fidio ho anareo ny iray amin’ireto ombalahy, ka amboary aloha, fa ianareo no maro, ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy i Elià tamin’ny mpaminanin’i Bahala: –Mifidiana ombilahy iray amin’ireo. Ianareo no mikarakarà voalohany, satria maro ianareo; ary antsoy ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Elia tamin'ireo mpaminanin'i Bala: Mifidiana vantotr'ombilahy iray ho anareo, ka dia manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran'ny andriamanitrareo, nefa aza asiana afo ao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Elia tamin’ireo mpaminanin’ny Baala: Mifidiana vantotra ombilahy iray ho anareo ka manamboara aloha ianareo, satria ianareo no maro; ary miantsoa ny anaran’ny andriamanitrareo, nefa aza mandrehitra afo.
malagasy