1 Kings 18:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia naka ny vantotra ombilahy izay nomena azy izy ireo ka nanamboatra azy, dia niantso ny anaran’ny Baala hatry ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro izy ireo ka niantso hoe: Ry Baala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy feo na valinteny akory. Dia nihinjakinjaka teo anoloan’ny alitara izay nataony koa izy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nalain’ireo ny ombalahy nomena azy ka namboariny, dia niantso ny anaran’i Baala izy, hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro, nanao hoe: «Ry Baala ô, valio izahay!» Nefa tsy nisy nanoina na namaly akory. Ka nihinjaka teo anoloan’ny ôtely nataony izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nalain’ireo ny ombilahy izay nomena azy ka nokarakarainy hatao sorona; ary niantso ny anaran’i Bahala izy hatramin’ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro nanao hoe: «Ry Bahala ô, mamalia anay!» Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka nanodidina ny alitara namboariny izy.
Malagasy Bible 1865
Dia naka ny vantotr'ombilahy izay nomeny azy ireo ka namboatra azy, dia niantso ny anaran'i Bala hatramin'ny maraina ka mandra-pitataovovonan'ny andro izy nanao hoe: Ry Bala ô. henoy izahay! Kanjo tsy nisy nanoina na namaly akory. Ary nihinjakinjaka tamin'ny alitara izay nataony izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia naka ny vantotra ombilahy izay nomena azy izy ireo ka nanamboatra azy, dia niantso ny anaran’ny Baala hatry ny maraina ka mandra-pitataovovonan’ny andro izy ireo ka niantso hoe: Ry Baala ô, henoy izahay! Kanjo tsy nisy feo na valinteny akory. Dia nihinjakinjaka teo anoloan’ny alitara izay nataony koa izy ireo.
malagasy