1 Kings 18:29 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary na dia efa nihilana aza ny andro dia mbola naminany teo ihany ireo hatramin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, nefa tsy nisy feo na valinteny ary tsy nisy nihaino azy akory.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nony efa nitsidika ny andro, dia naminany izy mandra-pahatongan’ny fotoana fanolorana ny fanatitra. Nefa tsy nisy nanoina na namaly na nihontsina kely akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa dila ny mitataovovonana, dia mbola nirediredy niantso an’i Bahala ihany izy mandra-pahatonga ny fotoana fanaovany sorona takariva, nefa tsy nisy nanoina na namaly teny amam-pihetsika azy akory.
Malagasy Bible 1865
Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary na dia efa nihilana aza ny andro dia mbola naminany teo ihany ireo hatramin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, nefa tsy nisy feo na valinteny ary tsy nisy nihaino azy akory.
malagasy
Ary na dia efa nitsidika aza ny andro, dia mbola naminany ihany izy hatramin'ny fotoan'ny fanatitra hariva; nefa tsy nisy nanoina, na namaly, na nihaino azy akory.