1 Kings 18:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ireo vato ireo dia nataony alitara ho an’ny anaran’NY TOMPO. Dia nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mahalany rano indroan’ny vata famarana voa maina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireo vato ireo no nanaovany ôtely ho an’ny Anaran’i Iaveh. Raha efa izany nasiany hady manodidina ny ôtely sahabo hahalany voa famafy indroan’ny famarana;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireo vato ireo no nanamboarany alitara ho an’ny anaran’ny TOMPO; ary ny manodidina ny alitara dia nanaovany hady kely mahalany telopolo litatra eo ho eo.
Malagasy Bible 1865
ary izany vato izany dia nataony alitara ho an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan'ny famarana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ireo vato ireo dia nataony alitara ho an’ny anaran’NY TOMPO. Dia nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mahalany rano indroan’ny vata famarana voa maina.
malagasy
ary izany vato izany dia nataony alitara ho an'ny anaran'i Jehovah; ary nanao hady kely manodidina ny alitara koa izy, izay mifafy voan-javatra indroan'ny famarana. [Na: mahalany][Heb. sea]