1 Kings 18:34 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary niteny hoe: Fenoy rano ny siny efatra ka aidino eo amin’ny fanatitra dorana manontolo sy eo amin’ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray mandeha koa izany. Dia nataon’izy ireo indray. Ary hoy indray izy: Mbola ataovy indray mandeha ihany koa izany. Dia nataon’izy ireo indray koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy izy: «Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ny sorona dorana sy amin’ny kitay hazo.» Dia hoy izy: «Ataovy fanindroany indray izany.» Dia nanao izany fanindroany tokoa ny olona. Fa hoy indray izy: «Ataovy fanintelony koa izany.» Dia nanao izany fanintelony ny olona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa izany dia hoy i Elià hoe: –Fenoy rano ny siny efatra ka araraho eo amin’ny sorona dorana manontolo sy amin’ny kitay. Dia nataon’ny olona izany; fa hoy indray i Elià hoe: –Ataovy fanindroany! Dia nataon’ny olona fanindroany izany. Ary hoy ihany i Elià hoe: –Ataovy fanintelony! Dia nataon’ny olona fanintelony izany.
Malagasy Bible 1865
dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin'ny fanatitra dorana sy amin'ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary niteny hoe: Fenoy rano ny siny efatra ka aidino eo amin’ny fanatitra dorana manontolo sy eo amin’ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray mandeha koa izany. Dia nataon’izy ireo indray. Ary hoy indray izy: Mbola ataovy indray mandeha ihany koa izany. Dia nataon’izy ireo indray koa.
malagasy