1 Kings 18:36 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra dia nanatona i Elia mpaminany ka niteny hoe: Ry TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely ô! Aoka ho fantatra anio fa Ianao no Andriamanitra amin’ny Israely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no nanaovako izao zavatra izao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra, dia nandroso i Elia mpaminany, ka nanao hoe: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba ô! aoka ho fantatra anio fa Andriamanitra amin’i Israely Ianao, ary izaho no mpanomponao ka teninao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa tamin’ny fotoan’ny sorona tolakandro dia nanatona i Elià mpaminany ka nanao hoe: –Ry TOMPO Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ô, asehoy ankehitriny fa Ianao no Andriamanitra amin’i Israely; ary izaho dia mpanomponao ka baiko avy taminao no nanaovako izao zavatra rehetra izao.
Malagasy Bible 1865
Ary nony tamin'ny fotoan'ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin'ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony tamin’ny fotoana fanolorana ny fanatitra dia nanatona i Elia mpaminany ka niteny hoe: Ry TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama sy Isaka ary Israely ô! Aoka ho fantatra anio fa Ianao no Andriamanitra amin’ny Israely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no nanaovako izao zavatra izao!
malagasy