1 Kings 18:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa tamin’ny nandringanan’i Jezebela ny mpaminanin’NY TOMPO dia nalain’i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimampolo avy no nataony tao amin’ny zohy iray, ary novelominy tamin’ny mofo sy rano ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa fony i Jezabela nandringana ny mpaminanin’i Iaveh, dia naka mpaminany zato izy, nafeniny, nataony dimampolo avy, tany anaty zohy, novelominy mofo sy rano, tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
fa tamin’ny nandringanan’i Jezebela ny mpaminanin’ny TOMPO, dia mpaminany zato no voavonjin’i Hôbadià rehefa nafeniny nitsinjara dimampolo avy tany anaty zohy ka novatsìny mofo sy rano.
Malagasy Bible 1865
ka nony naringan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia nalain'i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
ka nony naringan'i Jezebela ny mpaminanin'i Jehovah, dia nalain'i Obadia ny mpaminany zato ka nafeniny, dimam-polo avy no nataony tao an-johy iray, ary novelominy mofo sy rano ireo).