1 Kings 18:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy i Elia tamin’izy ireo: Sambory ireo mpaminanin’ny Baala! Aza avela hisy afa-mandositra na dia iray akory aza! Dia nosamborin’ny olona izy ireo ary noentin’i Elia ho eo amin’ny ony Kisona ka novonoiny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Elia tamin’izy ireo: «Sambory ny mpaminanin’i Baala, ka aoka tsy hisy ho afa-mandositra na dia iray aza.» Dia nosamboriny ireny, ka nampidinin’i Elia teo amin’ny ranon’i Sisaona, dia novonoiny teo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Elià tamin’izy ireo: –Sambory ny mpaminanin’i Bahala ary aza avela hisy afa-mandositra na dia iray aza. Dia nosamborina avokoa ireny ka nentin’i Elià teo amin’ny lohasahan-driakan’i Kisôna ary novonoiny ho faty teo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Elia taminy: Sambory ny mpaminanin'i Bala; aza avela hisy afa-mandositra izy na dia iray akory aza. Dia nosamborin'ny olona izy; ary nentin'i Elia ho eo amin'ny ony Kisona, ka dia novonoiny teo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy i Elia tamin’izy ireo: Sambory ireo mpaminanin’ny Baala! Aza avela hisy afa-mandositra na dia iray akory aza! Dia nosamborin’ny olona izy ireo ary noentin’i Elia ho eo amin’ny ony Kisona ka novonoiny tany.
malagasy