1 Kings 18:43 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy izy tamin’ny zatovony: Miakara kely ka tazano ny ranomasina! Dia niakatra izy ka nitazana ary nilaza hoe: Tsy misy na inona na inona. Impito i Elia no niteny taminy hoe: Miverena!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary nilaza tamin’ny mpanompony hoe: «Miakara kely, tazano ny arỳ amin’ny ranomasina.» Dia niakatra ilay mpanompo, ka nony nitazana, dia nanao hoe: «Tsy misy na inona na inona.» Ary hoy i Elia: «Miverena koa impito.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy izy tamin’ny mpanompony: –Miakara ka mijere mankany amin’ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nijery sady niteny hoe: –Tsy misy na inona na inona. Nasain’i Elià niverina nijery impito izy.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy izy tamin’ny zatovony: Miakara kely ka tazano ny ranomasina! Dia niakatra izy ka nitazana ary nilaza hoe: Tsy misy na inona na inona. Impito i Elia no niteny taminy hoe: Miverena!
malagasy
Ary hoy izy tamin'ny zatovony: Miakara kely, ka tazano ny ranomasina. Dia niakatra izy ka nitazana, dia nanao hoe: Tsy misy na inona na inona. Ary hoy izy: Mandehana koa impito.