1 Kings 18:44 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nony fanimpitony dia hoy ilay zatovo: Misy rahona kely ohatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina. Dia hoy i Elia: Miakara ka lazao amin’i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao ka midìna, fandrao voasakan’ny ranonorana ianao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tamin’ny fanimpitony, dia hoy izy: «Indro misy rahona kely hoatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina.» Ka hoy i Elia: «Mandehana lazao amin’i Akaba hoe: ‹Amboary ny kalesinao, dia midìna mba tsy hahatraran’ny orana anao.› »
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ka tamin’ny fanimpitony, dia hoy izy hoe: –Indro misy rahona kely hoatra ny totohondry miakatra avy eny an-dranomasina. Dia hoy i Elià taminy: –Ndeha lazao i Ahaba hamboatra ny kalesiny dia hidina, fandrao ho voasakan’ny orana.
Malagasy Bible 1865
Ary nony fanimpitony, dia hoy izy: Misy rahona kely hoatra ny tànan'olona miakatra avy eny amin'ny ranomasina. Dia hoy izy: Miakara, ka lazao amin'i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao, ka midìna, fandrao voasakan'ny ranonorana ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nony fanimpitony dia hoy ilay zatovo: Misy rahona kely ohatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina. Dia hoy i Elia: Miakara ka lazao amin’i Ahaba hoe: Amboary ny kalesinao ka midìna, fandrao voasakan’ny ranonorana ianao!
malagasy