1 Kings 18:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa tany an-dalana i Obadia dia indro, nifanena taminy i Elia. Nahafantatra azy izy ka niankohoka sady niteny hoe: Hay ianao va ity, ry Elia tompoko?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony mby teny an-dalana i Abdiasa, indro i Elia nifanena taminy: Niankohoka tamin’ny tany i Abdiasa, nony nahalala azy, ka nanao hoe: «Ianao va ity, ry Elia, tompoko?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha ilay nandeha tamin’ny lalana iny i Hôbadià, dia nifanena tampoka tamin’i Elià. Fantatr’i Hôbadià izy ka niankohofany ho fanajana azy, ary nilazany hoe: –Ianao va ity, ry Elià tompoko?
Malagasy Bible 1865
Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa tany an-dalana i Obadia dia indro, nifanena taminy i Elia. Nahafantatra azy izy ka niankohoka sady niteny hoe: Hay ianao va ity, ry Elia tompoko?
malagasy
Ary raha tany an-dalana Obadia indro, Elia nifanena taminy; ary nahalala azy izy, dia niankohoka ka nanao hoe: Hay! ianao va ity, ry Elia tompoko?