1 Kings 19:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy: Saro-piaro loatra ny foko noho ny fitiavako NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; fa ny Zanak’Israely dia nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao dia noravany, ny mpaminaninao dia novonoiny tamin’ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny navaliny: «Feno hafanam-po ho an’i Iaveh Andriamanitry ny tafika aho, fa ny fanekenao nafoin’ny zanak’i Israely, ny ôtelinao nazerany, ny mpaminaninao novonoiny tamin’ny sabatra, izaho irery no sisa, ary tadiaviny halàna aina aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny navaliny: –Fatratra loatra ny fitiavako Anao, ry TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao ô, koa tsy tantiko intsony ny nandaozan’ireo Israelita ny fanekempihavananao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny ho faty; ary dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ahy koa izy.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Nafana dia nafana ny foko noho ny fitiavako an'i Jehovah, Andriamanitry ny maro; fa ny Zanak'Isiraely nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao noravany, ny mpaminaninao novonoiny tamin'ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hoy izy: Saro-piaro loatra ny foko noho ny fitiavako NY TOMPO, Andriamanitra Tompon’izao rehetra izao; fa ny Zanak’Israely dia nahafoy ny fanekenao; ny alitaranao dia noravany, ny mpaminaninao dia novonoiny tamin’ny sabatra, ary izaho dia izaho irery ihany no sisa, nefa mbola mitady hahafaty ny aiko koa izy!
malagasy