1 Kings 19:11 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO: Mivoaha avy ato ka mijoroa eo ambonin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’NY TOMPO. Ary indro, nandalo NY TOMPO ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’NY TOMPO; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny rivotra. Nanarakaraka ny rivotra dia nisy horohoron-tany; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny horohoron-tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh: «Mivoaha ianao, ka mitsangàna eo amin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’i Iaveh, fa indro handalo i Iaveh.» Dia nisy rivotra be sady mahery, nampitsefatsefaka ny tendrombohitra sy nanorotoro ny vatolampy, teo alohan’i Iaveh; nefa tsy tao amin’ny rivotra i Iaveh. Nanarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany, nefa tsy tao amin’ny horohoron-tany i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy ny TOMPO hoe: –Mivoaha tao ka mitsangàna eo an-tendrombohitra eo anatrehako fa handalo Aho. Dia nisy rivotra nifofofofo mafy izay nampitresaka ny tendrombohitra ary nanamontsana ny vatolampy teo anatrehan’ny TOMPO; nefa tsy tao amin’izany rivotra izany ny TOMPO. Rehefa nitsahatra ny rivotra, dia nisy horohorontany; nefa tsy tao amin’ny horohorontany ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Jehovah: Mivoaha, ka mitsangana eo ambonin'ny tendrombohitra eo anatrehan'i Jehovah. Ary, indro, nandalo Jehovah, ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan': Jehovah; nefa Jehovah tsy tao amin'ny rivotra; ary manarakaraka ny rivotra nisy horohoron-tany; nefa Jehovah tsy tao amin'ny horohoron-tany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO: Mivoaha avy ato ka mijoroa eo ambonin’ny tendrombohitra, eo anatrehan’NY TOMPO. Ary indro, nandalo NY TOMPO ka nisy rivotra be sady mahery namakivaky ny tendrombohitra sy nanorotoro ny harambato teo alohan’NY TOMPO; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny rivotra. Nanarakaraka ny rivotra dia nisy horohoron-tany; nefa NY TOMPO tsy tao amin’ny horohoron-tany.
malagasy