1 Kings 19:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahare izany i Elia dia nosaronany ny akanjobeny ivelany ny tavany dia niala teo izy ka nijoro teo am-bavan’ny zohy. Ary indro, nisy feo tonga taminy hoe: Manao inona eto ianao ry Elia?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka raha nandre izay i Elia, nosaronany ny kapaotiny ny tarehiny, ka dia nivoaka izy, ary nijanona teo am-bava zohy izy. Dia injay nisy feo reny nankeo aminy, nanao hoe: «Maninona atỳ ianao, ry Elia?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha vao nahare izany i Elià, dia nisaron-tava tamin’ny akanjobeny ka lasa nivoaka ary nitsangana teo am-bava zohy. Dia nisy feo niteny taminy indray nanao hoe: –Inona no ataonao eto, ry Elià?
Malagasy Bible 1865
Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahare izany i Elia dia nosaronany ny akanjobeny ivelany ny tavany dia niala teo izy ka nijoro teo am-bavan’ny zohy. Ary indro, nisy feo tonga taminy hoe: Manao inona eto ianao ry Elia?
malagasy
Ary raha ren'i Elia izany, dia nosaronany ny kapôtiny ny tavany, ary nivoaka izy ka nijanona teo am-bava-zohy. Ary, indro, nisy feo nankao aminy nanao hoe: Manao inona atỳ ianao ry Elia?