1 Kings 19:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy NY TOMPO taminy: Mandehana, miverena amin’ny nalehanao ho any an-tany efitr’i Damaskosy; rehefa tonga any ianao dia hosory ho mpanjakan’i Arama i Hazaela.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa hoy i Iaveh taminy: «Mandehana amin’ny dianao indray ho any amin’ny efitr’i Damasa; ka rehefa mby any ianao, hosory ny mpanjakan’i Siria, i Hazaela,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny TOMPO taminy: –Mandehana miverina amin’ny lalana mamaky ny taniefitra akaikin’i Damasy. Rehefa tonga any ianao, dia hosory ho mpanjakan’i Siria i Hazaela;
Malagasy Bible 1865
Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy NY TOMPO taminy: Mandehana, miverena amin’ny nalehanao ho any an-tany efitr’i Damaskosy; rehefa tonga any ianao dia hosory ho mpanjakan’i Arama i Hazaela.
malagasy
Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin'ny nalehanao ho any amin'ny efitr'i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan'i Syria;