1 Kings 19:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nefa hamela fito arivo ao amin’ny Israely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’ny Baala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hamela 7.000 lahy ao amin’i Israely anefa Aho, dia ireo rehetra tsy nandohalika tamin’i Baala, ireo rehetra tsy nanoroka an’io tamin’ny vavany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nefa hamelako fito arivo lahy ihany amin’i Israely, dia izay rehetra tsy mba nandohalika tamin’ny andriamanitra Bahala sady tsy nanoroka ny sarivongany.
Malagasy Bible 1865
Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nefa hamela fito arivo ao amin’ny Israely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin’ny Baala* sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.
malagasy
Nefa hamela fito arivo ao amin'ny Isiraely Aho, dia ny lohalika rehetra izay tsy nandohalika tamin'i Bala sy ny vava rehetra izay tsy nanoroka azy.