1 Kings 19:2 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandefa iraka tany amin’i Elia i Jezebela hilaza hoe: Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ny iray amin’ireny ny ainao raha maraina toy izao!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka naniraka olona ho any amin’i Elia, i Jezabela, hilaza aminy hoe: «Hataon’ireo andriamanitra amin’izay ngidiny indrindra anie aho, raha tsy ataoko toy ny ain’izy ireny tsirairay avy ny ainao, rahampitso toy izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nandefa iraka tany amin’i Elià i Jezebela hanao hoe: «Enga anie ka hataon’ireo andriamanitra amiko ny famaizana faran’izay henjana indrindra, raha tsy afako toy ny nanaovanao ny ain’ny iray tamin’ireny koa ny ainao rahampitso tahaka izao!»
Malagasy Bible 1865
Ary Jezebela naniraka olona tany amin'i Elia hanao hoe: Hataon'ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain'ny anankiray amin'ireny ny ainao raha maraina toy izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandefa iraka tany amin’i Elia i Jezebela hilaza hoe: Hataon’ireo andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hataoko toy ny ain’ny iray amin’ireny ny ainao raha maraina toy izao!
malagasy