1 Kings 19:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an’i Elia sady niteny hoe: Miangavy anao aho, mba avelao aloha aho hanoroka an’Ikaky sy Ineny vao manaraka anao. Nefa hoy izy taminy: Mandehana miverina! Fa naninona anao moa aho?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nilaozan’i Elisea ny ombiny, dia nihazakazaka nanaraka an’i Elia izy, nanao hoe: «Aoka handeha hanoroka an’idada sy ineny aho, dia hanaraka anao.» Ary hoy i Elia taminy: «Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nandao ny omby i Elisà, ka nihazakazaka nanaraka an’i Elià sady nanao hoe: –Avelao aho aloha hanoroka ny raiko sy ny reniko vao hanaraka anao. Ary hoy i Elià taminy: –Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho!
Malagasy Bible 1865
Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an’i Elia sady niteny hoe: Miangavy anao aho, mba avelao aloha aho hanoroka an’Ikaky sy Ineny vao manaraka anao. Nefa hoy izy taminy: Mandehana miverina! Fa naninona anao moa aho?
malagasy
Dia nandao ny omby izy ka nihazakazaka nanaraka an'i Elia ary niteny hoe: Masìna ianao, avelao aho aloha hanoroka an'ikaky sy ineny vao manaraka anao. Ary hoy izy taminy: Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho?Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]