1 Kings 19:21 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia niverina izy niala tamin’i Elia ka naka omby roa mikambana dia namono azy, ary nahandroiny tamin’ny hazo avy tamin’ny fiasàn’ny omby ihany ny henan’ireo ka nomeny hohanin’ny olona. Ary niainga izy ka nanaraka an’i Elia dia nanompo azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niala teo aminy i Elisea, ka nalainy ny omby roa mikambana sy novonoiny, ary ny jiogan’ny omby no nandrahoany ny henany, ary nomeny hohanin’ny olona izany, vao niainga izy nanaraka an’i Elia sy nanompo azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia niala teo aminy i Elisà ka naka omby roa nataony sorona. Natonony tamin’ny hazon-jioga ny hena ka nomeny hohanin’ny olona izay teo. Ary niainga izy ka nanaraka an’i Elià sady nanompo azy.
Malagasy Bible 1865
Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia niverina izy niala tamin’i Elia ka naka omby roa mikambana dia namono azy, ary nahandroiny tamin’ny hazo avy tamin’ny fiasàn’ny omby ihany ny henan’ireo ka nomeny hohanin’ny olona. Ary niainga izy ka nanaraka an’i Elia dia nanompo azy.
malagasy
Dia niverina niala taminy indray izy ka naka ny omby roa mikambana, dia namono azy, ary nandrahoiny tamin'ny hazo fiasàn'ny omby ny henany ka nomeny ny olona, dia nihinana ireo; ary niainga izy ka nanaraka an'i Elia, dia nanompo azy.[Na: natonony]