1 Kings 19:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha nahatsinjo izany i Elia dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy nankany Bery-Sheba izay any Joda, ary ny zatovony dia najanony tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nahita izany i Elia, dia lasa niainga hamonjy ny ainy. Ka nony tonga tao Bersabea izay an’i Jodà izy, navelany tao ny mpanompony,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia natahotra i Elià, ka nitsoaka nandositra namonjy ny ainy. Tonga tany Beera-Seba izay any Joda izy, ary navelany tao ny mpanompony.
Malagasy Bible 1865
Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha nahatsinjo izany i Elia dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy nankany Bery-Sheba izay any Joda, ary ny zatovony dia najanony tao.
malagasy
Ary raha nahita izany izy, dia niainga ka lasa nandeha hamonjy ny ainy dia nankany Beri-sheba, izay any Joda, ary ny zatovo najanony tao.