1 Kings 19:4 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-tany efitra, ary tonga teo ambanin’ny anjavidy iray izy dia nipetraka; nangataka ho faty teo izy ka niteny hoe: Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, TOMPO ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa izy kosa nandroso lalana indray andro tany an’efitra; ary nony mby tany izy, nipetraka teo ambanin’ny kofafambohitra anankiray, dia nangataka ny ho faty, nanao hoe: «Aoka izay! alao amin’izao ny aiko, ry Iaveh ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa izy kosa nandeha lalana indray andro hankany an-taniefitra; ka rehefa tonga tany izy, dia nipetraka teo ambanin’ny hazo kely midoroboka iray. Ary nangataka ho faty izy ka nanao hoe: –TOMPO ô, aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny fa tsy tsara noho ny razako aho.
Malagasy Bible 1865
Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-tany efitra, ary tonga teo ambanin’ny anjavidy iray izy dia nipetraka; nangataka ho faty teo izy ka niteny hoe: Aoka izay! Alao ny aiko ankehitriny, TOMPO ô, fa tsy tsara noho ny razako aho.
malagasy
Fa izy kosa nandeha lalana indray andro tany an-efitra, ary tonga ka nipetraka teo ambanin'ny anjavidy anankiray; dia nangataka ho faty izy ka nanao hoe: Aoka izay! alao ny aiko ankehitriny, Jehovah ô. fa tsy tsara noho ny razako aho.[Heb. rotema; zava-maniry mifanahatahaka amin'ny kifafam-bohitra]