1 Kings 19:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro ary nandeha tamin’ny tanjaka azony tamin’izany hanina izany efapolo andro sy efapolo alina ho any Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia niarina izy, nihinana sy nisotro, ary nandeha efapolo andro sy efapolo alina, tamin’ny hery azony tamin’izany hanina izany, ho any Horeba tendrombohitr’Andriamanitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nifoha i Elià ka nihinana sy nisotro. Rehefa nahazo hery tamin’izay nohaniny izy, dia nandeha efapolo andro sy efapolo alina hatrany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.
Malagasy Bible 1865
Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro ary nandeha tamin’ny tanjaka azony tamin’izany hanina izany efapolo andro sy efapolo alina ho any Horeba, tendrombohitr’Andriamanitra.
malagasy
Dia nifoha izy ka nihinana sy nisotro; ary nandeha tamin'ny tanjaka azony tamin'izany hanina izany efa-polo andro efa-polo alina izy ho any Horeba, tendrombohitr'Andriamanitra.