1 Kings 2:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa antomotra ny andro ahafatesan’i Davida dia nanome didy an’i Solomona zanany lahy izy hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa akaiky ny andro hahafatesan’i Davida, dia nandidy an’i Salômôna zanany izy, nanao hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa nandindona an’i Davida ny andro hahafatesany, dia nandidy an’i Salômôna zanany lahy izy nanao hoe:
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa antomotra ny andro ahafatesan’i Davida dia nanome didy an’i Solomona zanany lahy izy hoe:
malagasy
[Ny hafatra nataon'i Davida tamin'i Solomona, sy ny nahafatesany] Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan'i Davida, dia nandidy an'i Solomona zananilahy izy hoe: