1 Kings 2:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nankany amin’i Batseba, renin’i Solomona i Adonia, zanakalahin’i Hagita. Hoy Ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy i Adonia: Eny, fihavanana!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary i Adoniasa zanak’i Hagita nankao amin’i Betsabea renin’i Salômôna. Ary hoy ravehivavy: «Hevi-pihavanana va no ahatongavanao?» Dia hoy ny navaliny: «Eny, hevi-pihavanana,»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia nankany amin’i Baty-Seba renin’i Salômôna i Adônià zanakalahin’i Hagita. Ary hoy ravehivavy taminy: –Hitondra fihavanana va no ahatongavanao? Ka novaliany hoe: –Eny!
Malagasy Bible 1865
Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nankany amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nankany amin’i Batseba, renin’i Solomona i Adonia, zanakalahin’i Hagita. Hoy Ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy i Adonia: Eny, fihavanana!
malagasy
Ary Adonia, zanakalahin'i Hagita, nankany amin'i Batseba, renin'i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.