1 Kings 2:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy izy: Ianao dia mahalala fa voatendry ho ahy ny fanjakana, ary ny Israely rehetra dia efa niandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, fa azony avy tamin’NY TOMPO izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hoy izy: «Fantatrao fa efa tato amiko ny fanjakana; izaho no efa nandrandrain’i Israely rehetra mba hanjakako. Kanjo nafindra ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, fa efa natokan’i Iaveh ho azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hoy izy: –Fantatrao fa ahy ny fanjakana, ary i Israely iray manontolo no efa nitodika tamiko mba hampanjaka ahy; kanjo dia tafahodina ny fanjakana ka lasan’ny rahalahiko, satria izay no sitrapon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy tamin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia hoy izy: Hianao mahalala fa ahy ny fanjakana, ary ny Isiraely rehetra nanandrandra ahy hanjaka, kanjo tafahodina ny fanjakana ka lasan'ny rahalahiko, fa azony avy tamin'i Jehovah.