1 Kings 2:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany amin’i Solomona mpanjaka i Batseba hilaza ny amin’i Adonia. Ary nitsangana hitsena an’i Batseba ny mpanjaka sady niankohoka teo anatrehany dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany, ary nasainy nisy nitondra sezafiandrianana ihany koa ho an’ny renin’ny mpanjaka ka nipetraka teo ankavanany izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nankany amin’i Salômôna mpanjaka, i Betsabea, hilaza aminy ny amin’i Adoniasa. Nitsangana nitsena azy ny mpanjaka, sady niankohoka teo anatrehany; dia nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany, sy nampanisy seza fiandrianana ho an’ny renin’ny mpanjaka, ka nipetraka teo ankavanany ravehivavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’i Salômôna mpanjaka i Baty-Seba hiteny aminy momba an’i Adônià. Ary nitsangana nitsena an’i Baty-Seba ny mpanjaka sady niondrika teo anatrehany; dia niverina nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany izy ary nasainy nasiana sezafiandrianana iray ho an-dreniny teo ankavanany.
Malagasy Bible 1865
Ary Batseba nankany amin'i Solomona mpanjaka hilaza aminy ny tenin'i Adonia. Ary ny mpanjaka nitsangana hitsena an'i Batseba sady niankohoka teo anatrehany, dia nipetraka teo amin'ny seza fiandrianany, ary nasainy nisy nitondra seza fiandrianana koa ho an'ny renin'ny mpanjaka; ka dia nipetraka teo amin'ny ankavanany izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany amin’i Solomona mpanjaka i Batseba hilaza ny amin’i Adonia. Ary nitsangana hitsena an’i Batseba ny mpanjaka sady niankohoka teo anatrehany dia nipetraka teo amin’ny sezafiandrianany, ary nasainy nisy nitondra sezafiandrianana ihany koa ho an’ny renin’ny mpanjaka ka nipetraka teo ankavanany izy.
malagasy