1 Kings 2:23 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nianiana tamin’NY TOMPO i Solomona mpanjaka hoe: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hovonoina i Adonia noho ny nanaovany izay teny izay!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nianiana tamin’i Iaveh teo i Salômôna mpanjaka, nanao hoe: «Hataon’i Iaveh amiko anie izay ngidiny indrindra, raha tsy ho faty noho ny nanaovany an’izany teny izany i Adoniasa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nianiana tamin’ny TOMPO i Salômôna mpanjaka ka nanao hoe: –Aoka hataon’Andriamanitra amiko ny famaizana faran’izay mafy raha tsy hataoko maty i Adônià noho izany teniny izany.
Malagasy Bible 1865
Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nianiana tamin’NY TOMPO i Solomona mpanjaka hoe: Hataon’Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hovonoina i Adonia noho ny nanaovany izay teny izay!
malagasy
Ary Solomona mpanjaka dia nianiana tamin'i Jehovah hoe: Hataon'Andriamanitra amiko anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty Adonia noho ny nanaovany izany teny izany.