1 Kings 2:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nilazan’ny mpanjaka koa i Abiatara mpisorona hoe: Mandehana ianao mankany Anatota ho any amin’ny taninao, fa olona tokony ho faty ianao; nefa tsy hampamono anao amin’izao andro izao aho, satria nitondra ny vata misy ny Vavolombelon’NY TOMPO Andriamanitra teo alohan’i Davida raiko ianao, sady niara-nitondra fahoriana tamin’ny raiko tamin’izay rehetra nampahoriana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy ny mpanjaka tamin’i Abiatara mpisorona: «Mandehana ianao mankany amin’ny taninao, any Anatôta, nefa noho ianao nitondra ny Fiaran’i Iaveh Tompo teo anatrehan’i Davida raiko, sy noho ianao nanana anjara tamin’ny fahoriana rehetra nahazo an’ikaky, dia tsy ataoko maty amin’izao andro izao ianao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hoy kosa ny mpanjaka tamin’i Abiatara mpisorona: –Mankanesa any Hanatôta any amin’ny taninao, fa olona mendrika ho faty ianao; nefa tsy anio akory no hataoko maty ianao, satria efa mba nitondra ny Vatamasin ’ny Tompo ANDRIANANAHARY ihany ianao tamin’ny andron’i Davida raiko sady niara-niaritra ny mafy rehetra nozakainy.
Malagasy Bible 1865
Ary Abiatara mpisorona dia nilazan'ny mpanjaka hoe: Mandehana ianao hankany Anatota ho any an-tambohonao, fa olona tokony hatao maty ianao; nefa tsy hataoko maty amin'izao andro izao. satria nitondra ny fiaran'i Jehovah Tompo teo alohan'i Davida raiko ianao sady niara-nitondra fahoriana tamin'ny raiko tamin'izay rehetra nampahoriana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nilazan’ny mpanjaka koa i Abiatara mpisorona hoe: Mandehana ianao mankany Anatota ho any amin’ny taninao, fa olona tokony ho faty ianao; nefa tsy hampamono anao amin’izao andro izao aho, satria nitondra ny vata misy ny Vavolombelon’NY TOMPO Andriamanitra teo alohan’i Davida raiko ianao, sady niara-nitondra fahoriana tamin’ny raiko tamin’izay rehetra nampahoriana azy.
malagasy