1 Kings 2:28 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ren’i Joaba izany. I Joaba anefa dia niandany tamin’i Adonia na dia tsy niandany tamin’i Absaloma aza. Dia nandositra nankao amin’ny tranolain’NY TOMPO izy ka nihazona ny tandroky ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tonga tao amin’i Jôaba izany vaovao izany satria niandany tamin’i Adoniasa i Jôaba, na dia tsy niandany tamin’i Absalôma aza. Ary nandositra tao amin’ny tabernaklan’i Iaveh i Jôaba, ka namikitra ny tandroky ny ôtely
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Vao ren’i Jôaba ny nanjo an’i Adônià sy i Abiatara, dia nandositra nankao amin’ny Tranolain ’ny TOMPO izy ka namikitra tamin’ny tandroky ny alitara fanaovan-tsorona. I Jôaba manko niandany tamin’i Adônià, kanefa tsy nanaraka an’i Absalôma.
Malagasy Bible 1865
Ary ren'i Joaba izany (fa Joaba efa niodina nanaraka an'i Adonia, kanefa tsy niodina nanaraka an'i Absaloma izy), dia nandositra nankao amin'ny trano-lain'i Jehovah izy ka nangia ny tandroky ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ren’i Joaba izany. I Joaba anefa dia niandany tamin’i Adonia na dia tsy niandany tamin’i Absaloma aza. Dia nandositra nankao amin’ny tranolain’NY TOMPO izy ka nihazona ny tandroky ny alitara.
malagasy