1 Kings 2:29 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nisy nanambara tamin’i Solomona mpanjaka fa lasa nandositra ho ao amin’ny tranolain’NY TOMPO i Joaba, koa indro, eo anilan’ny alitara izy. Dia nirahin’i Solomona i Benaia, zanak’i Joiada, ka nilazany hoe: Mandehana, vonoy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary nampandrenesina i Salômôna mpanjaka fa nandositra ao amin’ny tabernaklan’i Iaveh i Jôaba, ka tao anilan’ny ôtely izy; ka nirahin’i Salômôna i Banaiasa nataony hoe: «Mandehana asio izy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nisy olona nanambara ny vaovao tamin’i Salômôna ka nanao hoe: –Nandositra ao amin’ny Tranolain’ny TOMPO i Jôaba ka mialokaloka eo akaikin’ny alitara. Dia naniraka olona i Salômôna mba hamototra an’i Jôaba hoe: –Nahoana ianao no nialokaloka eto akaikin’ny alitara? Ka novalian’i Jôaba hoe: –Natahotra anao aho ka nialokaloka eto akaikin’ny TOMPO. Dia nirahin’i Salômôna hankany i Benaià zanakalahin’i Jôiadà ka nilazany hoe: –Andeha vonoy ho faty izy.
Malagasy Bible 1865
Ary nambara tamin'i Solomona mpanjaka fa Joaba efa lasa nandositra ho ao amin'ny trano-lain'i Jehovah, ka, indro, eo anilan'ny alitara izy. Dia nirahin'i Solomona Benaia, zanak'i Joiada, ka nilazany hoe: Andeha, asio izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nisy nanambara tamin’i Solomona mpanjaka fa lasa nandositra ho ao amin’ny tranolain’NY TOMPO i Joaba, koa indro, eo anilan’ny alitara izy. Dia nirahin’i Solomona i Benaia, zanak’i Joiada, ka nilazany hoe: Mandehana, vonoy izy.
malagasy