1 Kings 2:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tandremo izay asain’NY TOMPO Andriamanitrao hotandremana ka handehananao amin’ny lalany, hitandremanao ny lalànany, ny didiny, ny fitsipiny ary ny teny vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tandremo ny fanompoana an’i Iaveh Andriamanitrao, fa araho ny lalany, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy, mba hahomby ianao amin’izay hataonao rehetra sy izay rehetra noherehinao,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tandremo izay andidian’ny TOMPO Andriamanitrao hanarahanao ny sori-dalany ary hitandrovanao ny lalànany sy ny didiny amam-pitsipiny sy ny sàtany araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy; dia hahomby ianao amin’izay rehetra hataonao sy hokasainao.
Malagasy Bible 1865
Ary tandremo izay asain'i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin'ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin'ny lalan'i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tandremo izay asain’NY TOMPO Andriamanitrao hotandremana ka handehananao amin’ny lalany, hitandremanao ny lalànany, ny didiny, ny fitsipiny ary ny teny vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ny lalànan’i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
malagasy