1 Kings 2:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary tonga tao amin’ny tranolain’NY TOMPO i Benaia ka niteny tamin’i Joaba hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Mivoaha tao ianao! Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Dia nitondra teny tany amin’ny mpanjaka indray i Benaia hoe: Izany no lazain’i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony tonga tao amin’ny tabernaklan’i Iaveh i Banaiasa, dia nilaza taminy hoe: «Izao no lazain’ny mpanjaka: ‹Mivoaha ianao.› » Fa hoy ny navaliny: «Tsia, fa ho faty eto aho.» Dia nakarin’i Banaiasa tamin’ny mpanjaka izany teny izany, nataony hoe: «Izany no teny nataon’i Jôaba, ary izany no navaliny ahy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nankany amin’ny Tranolain’ny TOMPO i Benaià ka niteny tamin’i Jôaba hoe: –Izao no lazain’ny mpanjaka: Mivoaha tao ianao! Hoy kosa izy: –Tsia, fa eto no hahafatesako. Dia nankany amin’ny mpanjaka indray i Benaià nitondra ny valin-tenin’i Jôaba.
Malagasy Bible 1865
Ary Benaia tonga tao amin'ny tranolain'i Jehovah ka nanao tamin'i Joaba hoe: Izao no lazain'ny mpanjaka: Mivoaha ianao. Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Ary Benaia nitondra teny tany amin'ny mpanjaka indray hoe: Izany no lazain'i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary tonga tao amin’ny tranolain’NY TOMPO i Benaia ka niteny tamin’i Joaba hoe: Izao no lazain’ny mpanjaka: Mivoaha tao ianao! Fa hoy izy: Tsia, fa eto ihany aho no ho faty. Dia nitondra teny tany amin’ny mpanjaka indray i Benaia hoe: Izany no lazain’i Joaba, ary izany no navaliny ahy.
malagasy