1 Kings 2:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy ka vonoy izy dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ny taranaky ny raiko ny ra izay nalatsak’i Joaba tsy amin’antony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka hoy ny mpanjaka tamin’i Banaiasa: «Dia ataovy araka ny voalazany, ka asio izy dia avelao, mba hanesoranao amiko sy amin’ny taranaky ny raiko, ny ra nalatsak’i Jôaba tsy misy antony akory.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy ny mpanjaka taminy: –Ataovy araka izay nolazainy; ka vonoy ho faty izy, dia aleveno mba ho voaesotrao amiko sy amin’ny taranaky ny raiko ny andraikitra amin’ny famonoan’i Jôaba ho faty ny olona anankiroa.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i Joaba.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy ka vonoy izy dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin’ny taranaky ny raiko ny ra izay nalatsak’i Joaba tsy amin’antony.
malagasy
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ataovy araka izay nolazainy, ka asio izy, dia aleveno, mba hanesoranao amiko sy amin'ny taranaky ny raiko ny rà marina izay nalatsak'i Joaba.