1 Kings 2:32 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hatsingerin’NY TOMPO ho amin’ny lohany ihany ny rany, satria izy dia namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin’ny sabatra, dia i Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilan’ny Israely, sy i Amasa, zanak’i Jetera, komandin’ny miaramilan’ny Joda, nefa tsy nahafantatra izany akory i Davida raiko.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hatsingerin’i Iaveh eo an-dohany ihany ny rany, fa olona roa lahy, marina sy tsara noho izy, no nasainy sy novonoiny tamin’ny sabatra, nefa tsy fantatr’i Davida raiko izany, dia i Abnera zanak’i Nera, filohan’ny tafik’i Israely, sy i Amasà, zanak’i Jetera, filohan’ny tafik’i Jodà.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hataon’ny TOMPO manody an’i Jôaba anie izany, satria olona roa tsy manan-tsiny akory sady tsara fanahy noho izy no nasiany tamin’ny sabatra ka maty, dia i Abinera zanakalahin’i Nera sady filohan-tafik’i Israely sy i Hamasà zanakalahin’i Jetera sady filohan-tafik’i Joda, nefa i Davida raiko tsy mba nahafantatra izany.
Malagasy Bible 1865
Dia hatsingerin'i Jehovah ho amin'ny lohany ihany ny ràny, satria izy namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin'ny sabatra, dia Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'ny Isiraely sy Amasa, zanak'i Jatera, komandin'ny miaramilan'ny Joda, nefa Davida raiko tsy nahalala izany akory
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hatsingerin’NY TOMPO ho amin’ny lohany ihany ny rany, satria izy dia namely olona roa lahy izay marina sady tsara noho izy ka namono azy tamin’ny sabatra, dia i Abnera, zanak’i Nera, komandin’ny miaramilan’ny Israely, sy i Amasa, zanak’i Jetera, komandin’ny miaramilan’ny Joda, nefa tsy nahafantatra izany akory i Davida raiko.
malagasy