1 Kings 2:33 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Eny, hitsingerina amin’ny lohan’i Joaba sy amin’ny lohan’ny taranany mandrakizay ny ran’izy roa lahy ireo. Fa amin’i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ny sezafiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ny lohan’i Jôaba sy ny lohan’ny taranany hatrany hatrany no hitsingerenan’ny ran’izy roa lahy ireo. Fa ny ho an’i Davida sy ny taranany mbamin’ny fianakaviany aman-tseza fiandrianany kosa, dia fiadanana lalandava avy amin’i Iaveh!»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eny, hanody tokoa amin’i Jôaba sy ny taranany mandrakizay izany; fa fiadanana mandrakizay avy amin’ny TOMPO kosa no ho amin’i Davida sy ny taranany mbamin’ny fianakaviany ary ny sezafiandrianany.
Malagasy Bible 1865
Eny, ny ran'izy roa lahy ireo hitsingerina amin'ny lohan'i Joaba sy ny lohan'ny taranany mandrakizay; fa amin'i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin'ny seza fiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Eny, hitsingerina amin’ny lohan’i Joaba sy amin’ny lohan’ny taranany mandrakizay ny ran’izy roa lahy ireo. Fa amin’i Davida sy ny taranany sy ny mpianakaviny ary amin’ny sezafiandrianany kosa dia hisy fiadanana mandrakizay avy amin’NY TOMPO.
malagasy