1 Kings 2:36 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandefa iraka hiantso an’i Simey ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Manaova trano eto Jerosalema ianao ka mitoera ao ary aza miala ao akory ianao na ho aiza na ho aiza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nampiantso an’i Semeià koa ny mpanjaka, dia nilaza taminy hoe: «Manaova trano ho anao eto Jerosalema dia hitoeranao, ary tsy hialanao hivezivezy atsỳ amin’arỳ.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nampiantso an’i Simehỳ ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: –Manaova trano eto Jerosalema ka mitoera ao; ary aza miala ao mihitsy ianao.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandefa iraka hiantso an’i Simey ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Manaova trano eto Jerosalema ianao ka mitoera ao ary aza miala ao akory ianao na ho aiza na ho aiza.
malagasy
Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Manaova trano ato Jerosalema ianao ka mitoera ao, ary aza miala ao ianao na ho aiza na ho aiza akory.