1 Kings 2:37 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa amin’izay andro andehananao mita ny lohasahan-driaka Kidrona dia aoka ho fantatrao marina fa hovonoina ho faty ianao; ny ranao dia ho amin’ny lohanao ihany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa amin’izay andro hivoahanao hita ny ranondriaka Sedrôna no fantaro, fa tsy maintsy hahafatesanao, ary ho eo ambonin’ny lohanao ihany ny ranao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fantaro tsara fa ho faty ianao amin’ny andro izay hialanao ao ka hitànao ny lohasahan-driaka Kidrôna; dia ho tompon’andraikitra samirery amin’ny hahafatesanao ianao.
Malagasy Bible 1865
Fa amin'izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin'ny lohanao ihany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa amin’izay andro andehananao mita ny lohasahan-driaka Kidrona dia aoka ho fantatrao marina fa hovonoina ho faty ianao; ny ranao dia ho amin’ny lohanao ihany.
malagasy
Fa amin'izay andro hivoahanao mita ny lohasahan-driaka Kidrona, dia aoka ho fantatrao marina fa hatao maty tokoa ianao; ny rànao ho amin'ny lohanao ihany.