1 Kings 2:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
mba hanatanterahan’NY TOMPO ny teny izay nolazainy momba ahy hoe: Raha mitandrina ny alehany ka mandeha eo anatrehako amin’ny fahamarinana amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo ny taranakao dia tsy ho diso zanakalahy eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka dia hotanterahin’i Iaveh ilay teny nilazany ny amiko hoe: Raha mitandrina ny diany ny zanako, ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin’ny fony rehetra sy amin’ny fanahiny rehetra, dia tsy ho lany taranaka ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hotanterahin’ny TOMPO ilay fampanantenana izay nambarany tamiko hoe: «Raha tandreman’ireo taranakao ny fitondrantenany ka amin’ny fony manontolo sy ny fanahiny manontolo no izorany eo anatrehako amim-pahitsiana, dia tsy ho diso zanakalahy handimby eo amin’ny sezafiandrianan’i Israely ianao.»
Malagasy Bible 1865
mba hanatanterahan'i Jehovah ny teny izay nilazany ahy hoe: Raha ny taranakao hitandrina ny alehany ka handeha eo anatrehako amin'ny fahamarinana amin'ny fony rehetra sy amin'ny fanahiny rehetra (hoy Izy), dia tsy ho diso zanakalahy ho eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
mba hanatanterahan’NY TOMPO ny teny izay nolazainy momba ahy hoe: Raha mitandrina ny alehany ka mandeha eo anatrehako amin’ny fahamarinana amin’ny fony manontolo sy amin’ny fanahiny manontolo ny taranakao dia tsy ho diso zanakalahy eo amin’ny sezafiandrianan’ny Israely ianao.
malagasy