1 Kings 2:42 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandefa iraka hiantso an’i Simey ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin’NY TOMPO va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin’izay andro ivoahanao sy andehananao na ho aiza io na ho aiza dia hovonoina ho faty ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko izany!
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka olona hiantso an’i Semeià ny mpanjaka ka hoy izy taminy: «Tsy efa nampianiana anao tamin’i Iaveh va aho, sy nanome didy anao nanao hoe: Fantaro fa amin’ny andro hivoahanao hivezivezy atsỳ arỳ no tsy maintsy hahafatesanao! Ary tsy efa namaly va ianao, nanao tamiko hoe: Tsara izany teny izany?
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa nampiantso an’i Simehỳ ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: –Tsy efa nampianiana anao tamin’ny TOMPO ve aho mba tsy hiala amin’ny tanàna? Ary tsy efa nampitandrina anao ve aho fa raha miala ao ianao, dia tsy maintsy ho faty? Dia hoy ianao namaly ahy tamin’izay hoe: «Tsara izany!»
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka naniraka naka an'i Simey ka nanao taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin'i Jehovah va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin'izay andro hivoahanao sy handehananao na ho aiza na ho aiza akory dia hatao maty tokoa ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko any.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandefa iraka hiantso an’i Simey ny mpanjaka ka niteny taminy hoe: Tsy efa nampianiana anao tamin’NY TOMPO va aho ka nilaza taminao marimarina hoe: Aoka ho fantatrao marina fa amin’izay andro ivoahanao sy andehananao na ho aiza io na ho aiza dia hovonoina ho faty ianao? Ary hoy ianao tamiko: Tsara izany teny reko izany!
malagasy