1 Kings 2:46 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nandidy an’i Benaia, zanak’i Joiada, ny mpanjaka, dia lasa izy namely an’i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia tafaorina teo an-tanan’i Solomona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia nomen’ny mpanjaka didy i Banaiasa zanak’i Jôiadasa, ka nivoaka namono an’i Semeià, ary maty izy. Ary niorina teo an-tanànan’i Salômôna ny fanjakana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia nanome baiko an’i Benaià zanakalahin’i Jôiadà ny mpanjaka; dia nivoaka ny trano izy io ka namely an’i Simehỳ ho faty. Toy izany no nanamafisana ny fahefana maha mpanjaka teo an-tanan’i Salômôna.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nandidy an’i Benaia, zanak’i Joiada, ny mpanjaka, dia lasa izy namely an’i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia tafaorina teo an-tanan’i Solomona.
malagasy
Ary ny mpanjaka nandidy an'i Benaia, zanak'i Joiada, dia nivoaka izy ka namely an'i Simey ho faty. Ary ny fanjakana dia naorina teo an-tànan'i Solomona.